Archives Journalières: 23 mai 2010

Avy amin’i Antso “Ho anao”

Standard

Tononkalo voalohany nataon’i Antso ka nampitainy ahy hapetako @ blaogiko satria tiako loatra. Misaotra azy lalandava !!!
M iangavy re androany
A tsaharo ny tomany
D iniho sy tontosao
A treho ny adidinao
G iazo ny taraina
A mpiasao ny saina
S ahia mitraka ianao
I zay no andraikitrao
K atsaho ary ny tsara
A rovy i Gasikara
R avaho fahendrena
A mpio ‘ty firenena
Antso
1-05-2010
Edit en ce lundi de pentecôte :

Je viens de trouver ce clip sur youtube qui serait bien assorti aux tononkalo de Antso car il est intitulé « Antso ho anao ». Merci à ce meljah7 qui a partagé le clip sur youtube…

meljah7

13 décembre 2009 — Une production de SARYSYFEO.MG, réalisation: Tsila Andria. Clip primé par le Système des Nations Unies à Madagascar, lors de la célébration de la Journée Mondiale des Droits de l’homme [10/12/2009]… Félicitation à toute l’équipe…

Catégorie :Musique

Avy amin’i Antso izay hisaorako manokana : “Hiady isika nefa…”

Standard

Mampiteny ireo moana
Ny hita amin’izao fotoana
Samy isika Malagasy
No hifamono amin’ny basy??

Fa tsy fantatrao angaha
Ilay tanjon’ny vazaha :
Ny isian’ny rà mandriaka
Higalabonan’ny Frantsafrika?

Dia nataony velirano
Fa na hisy ady an-trano
Tsy maintsy azony ‘reo harena
Hogejainy ity firenena

Tsy ho tantiny mihitsy
Tsy ho ekeny velively
Sao miha-maro eo ilay vitsy
i Gasikara no ho modely

Ho modelim-pahafahana
Lasa ohatra ho an’i Afrika
Ka hahiratra ireo pahana
“Maty aho zanatanintsika!”

Aoka isika samy hahatsapa
Fa olon-kafa no hahazo laka
Raha isika no hiady an-trano
Isika ihany no hidiran’angano

Miantso anao ry miaramila
Handray andraikitra, tsy hitanila
‘Ty ranomaso mba fafao
Arovy ny Tanindrazanao

Ry mpitondra sy mpanohitra
Ataovy izay mba hahombiazana
Ka ianareo no ho lasa ohatra
Amin’ny fitiavan-tanindrazana

‘Reo mpitondra fivavahana
Finoana, fanantenana,fitiavana
No hany tokana hibahana
Hitarihana ireto havana

Adidintsika, izaho sy ianao
No tsy manao ankilabao
‘Reo soatoavina mampijoro
Ho Gasikara tsy hikoro

Ka hiova ilay « Fanjakana »
Ho “Fitsimbinana”, “Fitondrana”
Ny tanjontsika ho kendrena
“Ny Fanavotam-pirenena”

Antso
FB, 22-05-2010