“Madagascar Naturally. Snapshots of Madagascar, featured by a Valiha Music.”

Par défaut

Rehefa manembonembona dia mihaino hira malagasy…

IchiroHiroyuki | 6 octobre 2009

TONONKIRA

Ny Soratra Masina milaza
Manambara sy manao hoe
Tsy miantso ny marina fa ny mpanota hibebaka no antsoiny

Fa sao ianao ka manantena hoe

Izaho be vola sy harena
Ka hiavonavona amin’ireto mpiara-monina rahavako

Kanefa tsarovy tompoko
Rehefa tonga ilay andro iafarana
Lamba mena valovitana ihany no anjaranao sombinaina

Manana fandinihana ny dia
Ra mbola velon’aina eto an-tany
Sao ianao manantena ny bika sy ny hatsarana anie ka hiavona

Mahita an’ireo maloto lamba
Na mandalo aza ianao tsy miarahaba
Izany no porofo fa tsy mpihavana re ny velona rahavako

Mba eritrereto sombinaina
Mba diniho koa olo-manan-tsaina
Rahovina re isika no hanana ny firaisana rahavako

Fa toam-baliha re ny fiainana
Ny avo manohana ny iva
Ary ny iva manohatohana ny avo tsy hianjera

Fa landim-boatavo anie ny fiainana
Ny fotony anefa iray ihany
Ka misampatsapana ka tonga maro toy izao anie isika

Efao ny adidinao ra mbola velona
Manana faharetana aza kivy
Fa raha izany re no vita de ho sambatra hatrato ka hatrany

Les commentaires sont fermés.