Colère ? Tristesse ? Exaspération ? Je partage l’état d’esprit de Antso…

Par défaut

ENY…

Antso 23/11/2010

« Eny » hono izany
No azo atao hoe lany
Dia vita hatreo ny “Tsia”
Aoka izay ny siasia

“Eny” hono ho ‘aho
Foano ny ahiahy
Hilamina amin’izay
Vita izay ny atsonjay

“Eny” sarobidy
Mandehana aloha mifidy
Nantsoin’ny fokontany
Tsy mila karatra izany!

“Eny” ry vahoaka
Ho feno izao ny laoka
Ho mora avokoa
Na vary na akoho

“Eny” mahonena
Ho an’ny firenena
“Fitiavana” hono mantsy
No andriana andriran’antsy!

“Eny” ,adradradradra
Hitombo indray ny gadra
Fa maro koa ny “Tsia”
Am-ponja ireo mania!

“Eny” niala maina
Fa nisy ireo malaina
Nibodo tsy hifidy
Ny fanahy tsy amidy!