RY DADABE NOELY #Madagascar…encore

Par défaut

Comme à mon habitude, je publie les poèmes que Antso m’envoie. Il s’agit d’une nouvelle demande…encore…au père Noel à propos de Madagascar où la situation n’a pas changé d’un iota. En fait c’est une demande déjà adressée l’année dernière à laquelle Antso a inséré des lignes.

L’année dernière, j’avais écrit un poème RY DADABE NOELY. Il se trouve qu’en le relisant, je fais le constat que je peux presque refaire la même demande au Père Noël cette année tellement rien ne semble changer de manière significative chez nous.
Alors, j’ai décidé de juste rajouter quelques lignes. Eh oui… il y a même des demandes supplémentaires par rapport à celles de l’année dernière…

Na dia efa niseho tamin’ny herintaona aza ity tononkalo ity dia notovanana indray. Indrisy mantsy fa na dia herintaona aza izay no lasa dia tsy niova hatramin’izao ny fangatahana… niampy aza…

RY DADABE NOELY

Antso – 21-12-2010 *18-12-2011*

Ry Dadabe Noely
Raha toa ianao hijery
Ilay «tongotra ankavia»
Miangavy henoy ny aty

Ampihantao ny miaramila
Itondray basy rano,
Mizana tsy mitanila,
Sy boky feno angano
Angano fahendrena
Angano mampisaina
F’ireto izy mahonena
Rako-kintana tsy ilaina

*Ireo mpitsara sy “prà”
Aoka tsy hifandatsa-drà
Fa sao dia feno ity kapoaka
Ka hitraotra ny vahoaka
Tahaka izay koa ireo zandary
Ampio tsy hila voatsiary :
Ny kibaomba aoka izay
Omeo fo, saina ary fanahy

Ireo atao hoe ankolafy
Aza avela hilasilasy
Omeo hery Fanarenana
Fa tsy seza ho fitombenana*

Raha ireo « mpitondra » indray
Omeo saina tena izy
Ny hadalana aoka izay
Tsy ho kilalaon’ankizy

Fa ireo vahoaka kosa
Izarao hanina miavosa
Itondray vorontsiloza
Saingy aza asiana foza
Sao voa tandimerina
Ka ny ainy tsy hiverina
…Noely mantsy hono
Ka aoka tsy hifamono

Nefa na izany aza
Aza adino ireo zaza
Ho tototra kilalao…
Izaho matoky anao !

Billet connexe : Un noël “juste” pour tout le monde? Telle est la question de Antso qu’elle adresse au Père Noël…

Les commentaires sont fermés.