J’ai décidé de créer cette page « Antso » que je dédie en particulier à Antso elle-même, puis à meljah7 qui m’a permis de découvrir le clip «Antso ho anao» et enfin à Menalamba, mon frère d’armes ainsi qu’à Nj « …ne nous chamaillons pas, même si l’un a raison et que l’autre n’a pas tort » pour reprendre les paroles de Ziry Onesime.

Cheers my friends ! Ensemble pour Madagascar !!! Ho tanteraka ary ho tahian’Andriamanitra anie ny hetahetan-tsika jiaby !

—————————————————————

J’ai trouvé ce clip sur youtube qui serait bien assorti aux tononkalo de Antso car il est intitulé « Antso ho anao ». Merci à ce meljah7 qui a partagé le clip sur youtube…
meljah7

13 décembre 2009 — Une production de SARYSYFEO.MG, réalisation: Tsila Andria. Clip primé par le Système des Nations Unies à Madagascar, lors de la célébration de la Journée Mondiale des Droits de l’homme [10/12/2009]… Félicitation à toute l’équipe…Catégorie :Musique

Et je mets également ce billet sur cette page…comme un appel (Antso)…

En finir avec l’injustice à #Madagascar : “We need to face our fears and take back our streets, our cities, our neighborhoods…”[i]

—————————————————————

Je publierai donc sur cette page tous les tononkalo que Antso voudra bien m’envoyer…Encore et toujours merci à elle !

Malaso !

Antso – 17-11-2012

Ontsa ny fo, mila tsy hino
‘reo zava-doza mitranga any Atsimo
Zatovo lazaina fa mpangalatr’omby…
«Tonga dia vono no paika mahomby» ??

Malaso mpandroba no toa hoe enjehina
Tanàna milamina anefa no potehina
Tsisy fitsarana, tsy misy famotorana
Fa tonga dia ireo trano tsotra no dorana

Aoka re marina, tena mahasavolaina
Omby ve no enti-manala ny aina ?
Zatovo iray rà amintsika rehetra
Dia hoe «tratrako ialahy ka aina no fetra» ?

Misy ireo te hanaporofo ny marina
Any Tsiafahy no tonga dia mivarina
‘Reo andramena, vatosoa sarobidy
Azy avokoa, izy mantsy olom-boavidy !

Malaso ! Malaso ! Izay no mba re
Malasom-panjakana tokoa ary ve?
Iza, aiza no tena Remenabila ?
Sao diso fitandroka ianao «Ramiara-mila» ?

Mifona, mivalo, ho firy taona sisa
Isika rehetra no handry toa adrisa ?
Tsy rariny intsony, isika anie vonoiny
Ny harenany nefa ampiroboroboany !

Sao tara loatra ?

Antso
22-01-2012 00:40

Mitohy indray izany ny lohan’angidina
Tsy navela hipetraka ilay fiaramanidina
Tsy teliny mihitsy, adray ! toa nangidy ?
Ny saina sa inona no tena nihidy ?

Raha mamim-bahoaka, miebo ho mahery
Olon-tokana hono dia atao mahavery !
Marary saina sa olo-manavy ?
Mitotoa koba amin’izay tsy matavy…

Na izany aza anefa mijaly ny pokona
Leo hadalana sy totohondry mivonkina
Izy tsy ketrina ka mahaiza miaina
Ny safidim-bahoaka aza tevatevaina

Ity firenena no tiana halamina
Aok’izay ny atsonjay sy ireto NOTAM
Tsy misy masiaka toy ny sakay
Raha teny ierana, telin-tsy ho may

Vahaolona iraisana tsotra dia tsotra
Ny fanarahana ilay tondrozotra
Ka mifandefera, fadio ny be resaka
Sao tara loatra toy ny vato mitresaka!

Bitrom-bazaha !

Tweets connexes pour ceux qui ne lisent pas le malgache

#LaFranceEnQuestion #Madagascar http://t.co/RCTCCZzv http://t.co/tqkbdAlz http://t.co/kKKkfe9j http://t.co/kdxlGGct

RT @CasePalabres #Madagascar Rajoelina en visite de «travail» à #Paris http://t.co/tqkbdAlz un putchiste reconnu officiellement…? #Question

Antso  6/12/2011

Mafy izany tsy ampy taona
Tsy takany akory hoe « nahoana ? »
Jenitra, serina, sodokan’ny drala
Maika hamonjy an’i renimalala

Indrisy mantsy fa tena tsy takany
Ny mety ho vidin’izato lapany
Sioka tokana dia iny fa may :
« Oui bwana ! Indreto izahay ! »

Takalom-patsa, vidim-pihinana
« Ianao Prezidà  fa anay ny fananana »
Vahiny no hanjaka, ny gasy ho mpanompo
« Izy ity anie ry nao ka tany adala tompo ! »

Domina tapany dia mandoa erany
Andrim-panjakana mihitsy no azerany
Dia faly tokoa fa Filohan’ny nosy
Nefa ny tany mahantra, ny vahoaka mingosy

Fiara koa dia … !

Antso 08-10-2011

Sarobidy anie ireo fiara
Tena hipetraka ho tantara
Andro, volana nierina
Izahay aloha dia tsy hamerina

Inona izay fiara vitsy
No hiziriziry mihitsy
Ireto atao hoe UNICEF ?
F’angaha moa izy ireo no sefo ?

Raha fitaovam-piasana
No takiana, idradradradrana
Fa tsy hisakafo ireto ankizy
«Aoka itsy ny ambozizy !»

Ny vola be amina miliara
Tsy hiontsina amin’izay fiara
Tazoninay ny 4 x 4 *
Izay «cantine» aleo hikatona !

Izay no hafatray ry zaza
Eny na dia mafy aza
Izany atao hoe tsy mikaly
Ireo tsisy fiara koa mijaly

Mahereza dia mianara mafy
Na noana aza ry zanaka aman-jafy
Tsinjovy ny Andrim-panjakana
Anareo ny adidy, anay ny Fitondrana !

*Fiara mahazaka lalan-tsarotra 

Raha…hoy Antso

«If» de Rudyard KIPLING (1865 – 1936)
Traduction de Antso – 27/08/2011
Voici un autre poème de Antso qui est déjà publié sur madagascar-tribune. Elle m’a envoyé avec la traduction d’André Maurois mais il se trouve que j’ai déjà publié ce très beau poème If…Si…Raha… et qu’en commentaire l’ami calmant a déjà publié la traduction d’André Maurois.

Raha hitanao rava ireo natsanganao rehetra
Nefa ianao tsy mitaraina fa milofo kosa hanarina
Na koa very poa toy izay ny harem-be tsisy fetra
Nefa tsy nasianao sento na fihetsika mamarina

Raha hainao ny mitia nefa tsy very sy milentika
Raha hainao ny ho mafy saingy halefaka fanahy
Na koa ankahalaina ka tsy valifaty hitetika
Saingy hiady hiaro tena tsy mba misy ahiahy

Raha hainao ny mizaka ny handre ’reo teninao
Naolan’ireo fositra handranitanyny adala
Sy handre ireo sotasota tantarainy momba anao
Nefa ianao tsy handainga na dia teny iray aza

Raha hainao ny mihaja sy mamy hoditra an-tanàna
Raha hainao olon-tsotra ny hanolo-tsaina ny Mpanjaka
Sy hitia ireo sakaiza ho lasa iray tam-po malala
Ka tsy hiangatra ianao ka hanao toetra tsy zaka

Raha hainao ny misaina, mandinika sy mamantatra
Saingy kosa tsy ho kivy na sanatria handrava efa
Hanonofy fa tsy andevon’ireo nofy tena fatratra
Hisaina hatrany saingy koa hanan-karazana traikefa

Raha hainao ny ho hentitra nefa kosa tsy hisafoaka
Raha hainao ny hoe sahy nefa atao am-piheverana
Raha hainao ny tsara fanahy, ka fahendrena no miloaka
Tsy hananatrana-poana na hiebo hoe avo toerana

Raha tojo anao ny Fandresena dimbin’ny Faharesena
Ka tsy nihontsina ianao raha nofitahin’izy ireo
Raha hainao ny manovo herim-po ka tsy mivena
Nefa ireo hafa ankoatra anao lasa adala, mitoreo

Dia ireo Mpanjaka, Andriamanitra, Vintana sy Fandresena
Ho doria, tsy misy fetra, izy ireo dia homba anao
Fa soa noho ny Voninahitra sy ny Satro-bolamena…
Etsy anie ry sombinaiko : ho Olom-banona ianao !

FAHEFANA HO AIZA?

reçu  de Antso le 5 juillet 2011

Ananany daholo
Na baomba na savony
Hiarovam-pirenena
Sady hanadiovan-tena

Ananany avokoa
Vazaha, karana ary sinoa
Hanefy ny fisainana
Hanova ny fiainana

Azy koa ny vahoaka 
Tsy mba mety misafoaka
Fa miaina am-pahanginana
Miandrandra filaminana

Azy mihitsy raha ny tafika
Tsy misalasala hanafika
Sy handatsa-dranomaso
Raha misy ny ankaso

Tsy ny haino aman-jery
No tsy ananany, fa hery
Ampiasainy, igalabonany
Anafenany ny olany

Voasariny ihany koa
Ireo mpiova pataloha
Ny rehetra koa volena 
Ho fakatoavam-pirenena

Tsy hitanisa ny lalàna
Hamaritra ny hadalana
Fa tena tompom-pahefana
Azy koa ny Fanjakana

Nefa anie ny heno hatreto
Dia ireto teny ireto :
«Tsy anay ny hadisoana
Raha toa tsy misy fandrosoana»

Inona ary no manakana ?
Sa  tsy vanona ho lakana
Ilay hazo nangalarina ?
Etsy mba lazao ny marina !

Inona ary no andrasany ?
Hampiadana ny sasany
Sa ny hareny no ambenana
Seza hatao fitombenana ?

Z’inona e ! ny Fahefana
Raha any an-kady no itondrana ?
Z’inona e ! no iderana
Ny mpanongam-panjakana ?

Antso

Ry Vorom-bery dia…

Indrisy… mahonena
Ny rehareham-pirenena
Nitondra antsika aman-taona
Nitety tany sy havoana
Voarara tsy hisidina
Lahatra sa lohan’angidina ?

Ilay vorom-by tsy notahiana
Sao hono «vola ariana »
Tsy nefainy ny adidy
Ny fanahy moa namidy
Sady izy tsy mimalo
Ny diso hono : ‘reo «fahavalo »

Mitohy ihany ny hadalana
Tsy fanarahana lalàna
Ka ny ain’ireo mpandeha
Natakalo vola ve ?
Fahazarany tokoa
Ilay manao kitoatoa

Voalohany an-tantara
Ho an’i Air Madagascar
Ny tsy hisidina an’i Eoraopa
Indrisy mantsy fa voaraoka !
Ô ry «voron-tsara dia » :
Toloko anie ny foko ety…

Antso
20-04-2011 

Roa taona indray…

17 mars 2009 : Date mémorable, n’est-ce pas?
Antso,
17-03-2011

Niherina
indray ity ilay taona
Nandritra izay, nanao ahoana ?
Tsisy intsony nylalàna
F’izany hono no « Fanjakana»

Roa taona, eny nangidy
No naongana ilay voafidy
Ka ireto toampanolana
No miseho ho « vahaolana »

Vola, seza ary bokotra
No hany tena mahasomokotra
Fa ny vahoaka tsy
ampy kaly
Odian-tsy hita, aleo hijaly

Namidy, zary varo-boba
Ilay tany moran’ny mpandroba
Fiandrianana, hazo, volamena…
Tiany mantsy hono ny Firenena

Roa taona lasa izay…
No niandohany atsonjay
Firy taona re sisa
No mbola handry ny adrisa ?

Io tsy fitiavana io…

Antso
4-03-2011

Tianao ve aho ?
Eny tiako ianao

Tianao tahaka ny inona ary ?
Tiako tahaka ny vahoaka ianao :

Ampiandrandraiko vary mora
Na lehibe na tanora
Ampanginiko amin’ny basy ambanana
Na ny mahantra na ny mpanana
Ampidiriko any Tsiafahy
Raha vao manohitra ahy
Giazako tsy haheno feon-dakolosy maro
Satria aho saro-piaro…

Indrisy, tsy tianao aho izany…
Fa raha vahoaka tena tianao aho :

Nokoloinao tsy nisy tambiny
Fa tsy nataonao antsirambiny
Navelanao hiteny ankahalalahana
Sy nomenao fahafahana
Tsy nogadrainao raha mania
Satria tsy fonja ny fitia
Fa nanakaranao ny lanitra
Nampiadaninao ho salanitra !

Tratry ny taom-bitro e * hoy i Antso

De Antso« Il parait que l’année du lapin sera une année paisible… D’apathie ou d’apaisement? En attendant la réponse, je refuse le silence….«

Antso
* *Androany 3 febroary no taom-baovaon-tsinoa, taonan’ny Bitro no iantsoan-dry zareo sinoa azy ity.

Ny fanatontoloana*
No entina etoana
Irariana indray ny soa
Ho an’ny taom-baovaon-tsinoa

Voalaza ary izany
Fa ny « bitro » indray no hany
Hanamarika ity taona
Asa mety hanao ahoana ?

Dia indro manantena
F’ilay bitro mahonena
Mety ho tonga saina angamba
Tsy hitantara intsony antsanga

Avela hatreo ny Tapie
Sy ny dia any Arabia
Ireo mpisandoka ho mpamatsy
Aoka izay fa tena ratsy !

Mba ho bitro hahay miaina
Hanorin-javatra ilaina
Tsy tranom-barotra ngezabe
No entina ho rehareha

Hahay hanaja ny sonia
Hampandroso fa tsy hampandihy
Tsy vola am-paosy no ho karaoty
Ho vita hatreo koa ny ‘Araraoty’ !

Ka ireo nify tena lava
Hitrandraka , eny, lalandava
‘zay hahasoa ny Firenena
Ny soa iombonanana ho jerena

Tsy ho tera-bitro sanatria
Ka ho feno adala hiriaria
Fa ho olom-banona amin’izay
Izay no revin-gadranay !

Tratry ny taom-bitro e !

ROA TAONA…

Antso 26-01-2011 9 :14

Roa taona sahady
Roa taona be izao
No nihoatra vavahady
Sy nila rahoraho
Ireto andian’olona
Nilaza ho mpitolona

Nodorana avokoa
Ireto harem-be
Tsy manam-paharoa
Na radio na télé
Dia faly sy nibitaka
Nandrindra izato fitaka

Ny magazay kosa
Norobaina ho famonjena
Ireo  «vahoaka» osa
Nirangorango mahonena
May, kila tsy tra-bonjy
Maika hitaona ireto monjy

Fanafahana hono mantsy
«Aoka izay ny ampihimamba»
Tsy natahotra izy niantsy
Nanaparitaka antsanga
Hay ny tanjony hadalana :
Ny hanongam-panjakana !

Roa taona aty aoriana
Manao ahoana ny vahoaka ?
Moa ve azo izay nirina
Asehoy raha misy apoaka ?
Sa fanamparam-pahefana
No mba modely Fitondrana ?

Dia hitsara ny tantara
Tsy hanadino, hahatsiaro
Aoka izy no hanambara
Ary hametraka sy hiaro
Ny marina ho an’ny Firenena
Hanovozam-pahendrena.

TRATRY NY TAONA !

Antso 01-01-2011

Dia samy arahabaina
Ny tsara no antenaina
Sy irariako ho anao
Ho an’ny taom-baovao

Maniry koa ho vanona
Ny rehetra izay sahanina
Ho ambinina tokoa
Hahavita asa soa

Ho zinam-pifaliana
Hianoka ny tiana
Higoka fahasoavana
Ho feno koa fitiavana

Tratry ny taona e!

Mes meilleurs vœux à vous tous pour cette nouvelle année : sérénité, plénitude, santé, …, légèreté et fun !

Un noël « juste » pour tout le monde? Telle est la question de Antso qu’elle adresse au Père Noël :

RY DADABE NOELY

Antso – 21/12/2010

Ry Dadabe Noely
Raha toa ianao hijery
Ilay « tongotra ankavia »
Miangavy henoy ny aty

Ampihantao ny miaramila
Itondray basy rano,
Mizana tsy mitanila,
Sy boky feno angano
Angano fahendrena
Angano mampisaina
F’ireto izy mahonena
Rako-kintana tsy ilaina

‘Reo « mpitondra » indray
Omeo saina tena izy
Ny hadalana aoka izay
Tsy ho kilalaon’ankizy

Fa ny vahoaka kosa
Izarao hanina miavosa
Itondray vorontsiloza
Saingy aza asiana foza
Sao voa tandimerina
Ka ny ainy tsy hiverina
Noely mantsy hono
Ka aoka tsy hifamono

Nefa na izany aza
Aza adino ireo zaza
Ho tototra kilalao…
Izaho matoky anao !

Ry Tanindrazako malala!

Antso – 21-10-2010

Ry Tanindrazako malala
Aza tsiny raha tsy te hahalala
Ireo miseho ho tia anao
Nefa manao ankilabao
Ny fitahiana ireo harena,
Mandroba anao ry Firenena

Ry Madagasikara soa
Ataoko ahoana no hankato
‘Reo milaza fa  mpitondra
Mafy loha toa ampondra?
Seza, kibo no kendreny
Ny hadalany sesehena

Fitsapan-kevi-bahoaka
“Eny” sa “tsia” fa aza mitsaoka!
Izay ihany hono no mba  fanarenana
Irika tokana : ny lalàm-panorenana!
Hijanona eo  izy na ho any na tsy ho any
Izay teninareo? Tsy raharahany izany!

Isalo, Ankarafantsika,, samy kila avokoa
Ny azy ny volon-tratrany no mahamay azy aloha
« Hamikitra isika, tandremo ! Attention !
Atsangano malaky ny conseils rehetra de la transition !
‘reo be menomenona alefaso Antanimora!
Ireo adrisa indray, ampandrio amin’ny ‘tsena mora’!”

Marary aho ry taniko, potika tarangana
Izany ve sisa? Moa ianao ho tafatsangana?
Ketraka aho nefa tsy hanaiky ireto adala
Ny hery mampitraka? Ny fitiavako anao  tsy miala
Vonona aho hisikina ireo herim-po
Hiady, hanasoa :  ho anao doria tokoa!

VAVAKA HO ANAO JEAN-CLAUDE RAKOTOARILALAO

Publié le 27 septembre 2010 par prettyzoely
Oyez Oyez Bonnes Gens !!!
Antso me demande de publier cette prière à l’attention de ce brave homme, qui fait partie des
otages au Niger. Et j’accède sans hésiter à cette demande : « C’est juste histoire de ne pas l’oublier. Je ne le connais pas du tout, mais cela me fait mal au coeur de penser à ce pauvre homme en detresse quelque part, pour qu’on ne l’oublie pas…. » Ni elle ni moi ne le connaissons mais nous prions pour lui. Et vous aussi par la même occasion…Désolée pour ceux qui ne lisent pas le malgache mais vous pouvez prier dans votre langue. Merci.
Antso n’a pas de blog mais elle fait partie d’office de mon «Ministère du Monde», rien que pour ses poèmes très beaux et très humains.
Vous n’êtes donc pas seul Monsieur et nous souhaitons à votre famille du courage.

Antso26 septembre 2010

Vavaka ho an’i Jean-Claude Rakotoarilalao
Voatana an-keriny any Niger nanomboka tamin’ny alarobia 15 septambra 2010
Any ianao ry havako tsy fantatro akory
Niharan-doza tampoka, ny foko anie dia ory
Nandre fa lasa an-keriny, babon-jiolahy
Ianao tsy nila kisa, tsy nanao ratsy fanahy
Mankahery anao am-po, manafatra ny lanitra
Izy anie ry Ray ka nitady ravin’ahitra
Tahio izy, tsimbino, ho olon’afaka indray
Mba hiverina aminay i Jean-Claude havanay
Tsy irery ianao ry namako, izaho tsy manadino
Mivavaka aho ho anao, androany aho dia mino
Fa ny Ray ao ambony hitsinjo sy hitahy anao
Ka ho avotra ianao ry Jean-Claude Rakotoarilalao
Tsy irery ianao…

RAHA MILA FANAMIANA IANAO

Antso 30-06-2010

Raha mila fanamiana ianao
Ka misy tsy mety ny sainao
Anaovy akia e, ‘lay fianjaika
Mainty mamiratra toa goaika
Ekeo fotsiny
Ireo mpibaiko
Mitavana mora ny tanindrazana
Ianao hono mantsy no saribakoly
Satria hoe filoha sy mpampiala voly
Raha misy zava-mampihorohoro
Ny miaramila ao hanorotoro
Fa izy akia e, no andrinao
Toy ny namana tsy mba mandao
Mahantra ny loha
Mahantra ny saina
Sady hita fa fo karankaina
Fa vonon-kamono satria tsy tia
Mitady hampigadra ireo zay mania
Raha te hampandihy ianao indraindray
Raha mandany vola po tahak’izay
Tsarovy akia e, fa ny vahoaka
Misy tsy mihinana, tsy manan-daoka
Tsy voafidy ianao
Na nisy nandany
Ka ny rehareha avelao ho any
Fa na akanjo mamiratra ô
Na mpanankanto vahiny
Ny aty tsy ambakaina
Aza omena tsiny
Tanindrazana tsy amidimidy foana
Hadalanao mampiteny ny moana
Tandremo akia e, kodiaran-tsarety
Ho rava tsy ho ela izato fety (bis)

DADA TIAKO

Antso 20-06-2010

Dia faly miarahaba
Manoroka finaritra
Mirary soa ry Dada
Androany tena tsy aritra

Na dia lavitra ny maso
Hatrizay ka hatrizao
Tena akaikin’ny fo
Tsy adino mihitsy ianao

Iny ilay sahiran-tsaina
“Dada ô, avia ianao”
Nampianao reo sombiniana
Tsy nataonao ankilabao

Faravavy, vavy matoa
Samy tianao avokoa
Sangy, resaka, fitosiana
Tsaroana hatrany, nahasondriana

Koa misaotra anao indrindra
Miahy, mampianatra mamindra
Ho sambatra, ho ambinin-tsoa
Ireo dimby sy fara ho tia tokoa!

FAHALEOVAN-TENA

Antso 15-06-2010

Mamy tena mamy
Raha izato tany
Nefa mahonena
Raha ity firenena

Toa ny avy any ivelany
No indro fa mibaiko
Tsy afaka, tsy avelany
Ny hangina anefa tsy ho haiko

Voageja sy voazanaka
Mangidy aok’izany
Tsy ho resy, tsy ho lanaka
‘ndao hanafaka ity tany

Ny zo, adidy sy lalàna
No laharam-pahamehana
Fihavanana, fifampitondrana,
Hampiseho fahamendrehana

Fiandrianam-pirenena
Fahazoana fahafahana
Mariky ny Fahaleovan-tena
No tanjona entina, iarahana

Ry olom-boavidy
(tohin’ny boloky sy voanjo)

Antso 31-05-2010

Dia mitohy hatrany ny hadalana
Tsisy intsony ‘lay lalàna
Nipingapinga indray nilaza
“Prezidà” hono‘lay boloky malaza

Injay  nandeha ilay teny midina :  “Izaho no filoha!”
Hadalana ve, sa ny sainy no efa voa?
Nampiany koa indray “izaho ho raiamandreny”
‘ty taona nefa tsy ampy, ny saina koa malemy

Taiza moa izahay no navela hisafidy?
Fa izy moa no  iza no afaka mandidy?
Angaha moa efa nisy ilay atao hoe fifidianana?
Aza manambaka! Ny saina izahay dia manana

Heveriny fa inona ireto Malagasy
“Safidy” hono hoe nefa ambanany amin’ny basy?
Dia tena afa-kenatra marina  ilay boloky
Sa kosa tsisy bedy satria izy efa voky?

Hazo, solika, fanahy, dia namidiny avokoa
Mety aminy daholo rehefa izy no Filoha
Izy anie tsy handinindinika na hamakafaka lalina
Sôsy be no ao e! An-tapitrisa sy aman’alina!

Ilay resaka sinoa mitrandraka ny vy
Izay fotsiny hono dia faly ery ‘lery!
“Vola be no azo, ho tafavoaka isika
Ho foana ny ankaso, masoandro hibaliaka”

Ho fanampin’izany, eo koa i Frantsafrika
Notompoina, nandoalihana, izay sisa no hany fika
Nangalarana ilay toerana notsiriritiny tokoa
N’inon’inona nefa ataony, izy angaha tena Filoha?

Fahakelezan-tsaina ve sa tsy fahitana hevitra
Omena vola kely, dia iny fa mievotra?
Averiko eto indray : ianao dia tsy voafidy
Tsy filohanay ianao ry olom-boavidy

Neny malala,

Antso 28-05-2010

Ry Neny tiako, tokana am-poko
Misaotra indrindra
Faly aho miarahaba sy manolotra koa
Voninkazo mirindra
Midera ny herim-po naseho hatr’izay
Tsy mora tokoa
Nitaiza irery ianao, nefa indreto izahay
Lehibe avokoa
Ny fiainantsika tsotra, sangisangy, hafaliana
Mamy toa tantely
Lemim-panahinao, fitsinjovana ireo tiana
Nataoko ho modely
Na mafy aza ny ady, nahery ny tadio
Nitraka foana ianao
“Ny soa no katsaho, tsy ho very, tadidio”
Izay no hafatrao
Raha sendra potraka iny, voafingana aho ka lavo
Nananatra, nanampy
Tambitamby, tsiky kely, tositosy naharavo
Tsaroako ho vatolampy
« Ny vatana, ny fo, ny saina sy fanahy
Tandrovy izy ireo”
Izay no teninao, matetika aho mahatsiahy
Tsy mba mety leo
“Miasà tsara” hoy ianao, “ampio ireo manodidina
Ataovy am-pitiavana
Levenam-bola ireny, hitoetra tsy hanidina
Tsinjovy ireo havana
Ny fara aman-dimby, ezaho ho olom-banona
Ampianaro adidy
Ho tokan-trano faly, hifankatia, hilamina
Harena sarobidy”
Ry Neniko malala mitsinjo hatrany hatrany
Matokisa ianao
Ny fitiavana ato am-poko, mitombo tsy ho lany
Izaho hiahy anao
Andriamanitra ô! Tahio io Neniko io
Neny be fitiavana
Ny fiainany ho avy, miangavy aho mba ampio
Fenoy Fahasoavana.

“Ho anao”
Antso 23 MAI 2010

Tononkalo voalohany nataon’i Antso ka nampitainy ahy hapetako @ blaogiko satria tiako loatra. Misaotra azy lalandava !!!

M iangavy re androany
A tsaharo ny tomany
D iniho sy tontosao
A treho ny adidinao
G iazo ny taraina
A mpiasao ny saina
S ahia mitraka ianao
I zay no andraikitrao
K atsaho ary ny tsara
A rovy i Gasikara
R avaho fahendrena
A mpio ‘ty firenena
Antso
1-05-2010


“Hiady isika nefa…”

Antso – 22 MAI 2010

Mampiteny ireo moana
Ny hita amin’izao fotoana
Samy isika Malagasy
No hifamono amin’ny basy??

Fa tsy fantatrao angaha
Ilay tanjon’ny vazaha :
Ny isian’ny rà mandriaka
Higalabonan’ny Frantsafrika?

Dia nataony velirano
Fa na hisy ady an-trano
Tsy maintsy azony ‘reo harena
Hogejainy ity firenena

Tsy ho tantiny mihitsy
Tsy ho ekeny velively
Sao miha-maro eo ilay vitsy
i Gasikara no ho modely

Ho modelim-pahafahana
Lasa ohatra ho an’i Afrika
Ka hahiratra ireo pahana
“Maty aho zanatanintsika!”

Aoka isika samy hahatsapa
Fa olon-kafa no hahazo laka
Raha isika no hiady an-trano
Isika ihany no hidiran’angano

Miantso anao ry miaramila
Handray andraikitra, tsy hitanila
‘Ty ranomaso mba fafao
Arovy ny Tanindrazanao

Ry mpitondra sy mpanohitra
Ataovy izay mba hahombiazana
Ka ianareo no ho lasa ohatra
Amin’ny fitiavan-tanindrazana

‘Reo mpitondra fivavahana
Finoana, fanantenana,fitiavana
No hany tokana hibahana
Hitarihana ireto havana

Adidintsika, izaho sy ianao
No tsy manao ankilabao
‘Reo soatoavina mampijoro
Ho Gasikara tsy hikoro

Ka hiova ilay « Fanjakana »
Ho “Fitsimbinana”, “Fitondrana”
Ny tanjontsika ho kendrena
“Ny Fanavotam-pirenena”

AMPY IZAY ! tohin’ny boloky sy voanjo

13 MAI 2010 mots-clés : AntsoPoème

Dia lasa indray ilay boloky
Nitomany, nanome toky
« Hijanona eto aho mandra-pà,
Hijoro aho fa lehilahy »

Satria (n)alain(y) ‘zaho handeha *
Tsy hilatsaka hofidiana
Miniana aho, marina é!
Ho lasan’ izay ny fahoriana

Ô ry zaza tsy ampy taona!
Jereo aloha ilay lalàna
Ny filatsahanao dia foana
Ny tokinao dia hadalana

Ry boloky mpisoloky
Adino angaha ilay sonia?
Tsy ny teny sy ny toky
No entina anariana dia

Mba lazao aloha izay vita
Mihaino ary izahay vahoaka
Nanao ahoana, moa tafita
‘lay “vary mora, feno laoka?”

Fa nahoana moa raha tsorina
Lazao e, aza mamorona!
Ny tanjonao iaraha-mahalala
Ny fiverenan’i renimalala

Ialako tsiny, ialako fondro
Hiteny mafy aho, toa tafondro :
Ampy izay, aza be vinany
Izaho tsy hino fotsiny ihany!

Antso
13 mai 2010
* « Alain » iza moa ry renimalala?

BOLOKY SY VOANJO

8 MAI 2010

Indray andro hono ity boloky
Nitaona olona, nanome toky
“Olon’afaka ianareo vahoaka
Raha hanaraka ahy tsisy hitsaoka”

Dia nifoha ny “valala be mandry”
Nirodorodo fa tsy nahandry
‘Ndao isika rehetra hiraparapa
Hanafika miaraka ilay lapa

Dia lasa tokoa ary niolomay
Tampoka teo, po toy izay
Lavo nianjera voan’ny bala
Indrisy fa nisy ‘reo aina niala

Volana maro taty aoriana
Tontosa ary ve ‘zato faniriana?
Toa haizina, hatsiaka ary koa fanala
Lazao ny marina, aza mifanadala!

Ary ity ataony hoe “demokrasia”
Toa fanagadrana ‘reo “be siasia”?
Fahafahana hono, fiovana koa
No anenjehany ireo “mafy loha”!

Nampiany indray koa hoe “Oui Missié”!
Voanjo nafarana an-dafindriaka
Izahay tsy mila! Allez mandeha!
Roahy, akorao fa miseho be fika!

Boloky sy voanjo*, tsy menatr’olona
Ny taniko tsy avelako atakalo!
Izaho Malagasy hanohy ny tolona
Hijoro aho, hitraka ary tsy himalo!

Antso
06-05-2010
* Voanjo no fiantso ireo mpanjanaka taloha


Une réponse "

  1. manao ahoana e !

    t’es marrant toi ! non je n’étais pas à cet endroit où tu as cru voir Pitchboule !

    d’ailleurs où se trouve ce resto ? dans Paris même ?

  2. Hello ! J’ai cru voir ton ami Pitchboule hier soir du côté d’un resto malgache à Paris. Tu y étais aussi ? 😉

Vous voulez vous exprimer ? Vous avez bien raison :-) Cool attitude